Manan-danja aminao ve ny fanekena nataonao tamin' Andriamanitra?

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Manan-danja aminao ve ny fanekena nataonao tamin' Andriamanitra?
""koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; ""
Fa naninona no tsy nety nihaino ny feon' Andriamanitra nandrara azy tsy hanao fanekena amin'ny jentilisa mpanompo sampy ny Zanak'Israely? Maivan-danja taminy Andriamanitra sy ny sitrapony, nataony filazan-javatra sy fitadiavam-pitahiana fotsiny. Izay tena tian'ny olona ihany no anaovany fanekena koa raha tena tia Azy ianao dia tsy mivadika amin'ny fanekena nataonao taminy na dia maningotra ny ainao aza. Hoy Jesoa : "Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy" - Matio 5:37
Mombamomba
4 octobre 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor