Manan-kambara aminao Andriamanitra amin'ny alalan'ireny teny nosoratan'ny mpaminany sy Apostoly ireny

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Manan-kambara aminao Andriamanitra amin'ny alalan'ireny teny nosoratan'ny mpaminany sy Apostoly ireny
""ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: ...""
✨ Méditation
Nameno ny fon'i Davida ny Fanahy ka izany no nampiteny sy nampanoratra azy ireo Salamo maro mbola mampahery antsika mandraka ankehitriny ireo. Naneho ny toe-javatra nihatra tamin'ny Apostoly ny teny nosoratan'i Davida taonjato maro lasa.
Manan-kambara aminao Andriamanitra amin'ny alalan'ireny teny nosoratan'ny mpaminany sy apostoly ireny.
"Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana" - 2 Timoty 3:16 MG1865
Mombamomba
24 mai 2025
11 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor