Kristy fiainantsika

Manan-karena amin'ny zavatra rehetra ianao ao amin'i Jesoa


Manan-karena amin'ny zavatra rehetra ianao ao amin'i Jesoa
Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo

Manan-karena amin'ny zavatra rehetra ianao ao amin'i Jesoa

""dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, ...""

Manan-karena amin'ny zavatra rehetra ianao ao amin'i Jesoa. Ny teniny tsy madainga no milaza izany. Hoy ilay Ray be fitiavana : "Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako" - Lioka 15:31. Saingy tsy nahalala izany ilay zanany lahimatoa fa nitondra tena tahaka ny andevo ihany.

Angataho Aminy ny hampahiratana ny masom-panahinao hahalalanao fa mpanan-karena ianao. Ny voalohan-karenanao dia Jesoa : "Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?" - Romana 8:32


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

5 novembre 2025

5 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro