Kristy fiainantsika

Manana fanantenana mandrakariva, tsy mety miraviravy tanana


Manana fanantenana mandrakariva, tsy mety miraviravy tanana
Thème du mois : Mifampahery ny mpino

Manana fanantenana mandrakariva, tsy mety miraviravy tanana

""Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah""

Manoloana izay hitan'ny maso sy ren'ny sofina isan'andro dia maro no miraviravy tanana sy diso fanantenana. Mivarilavo amin'ny zava-mahadomelina ny sasany, maro no mirona amin'ny asa ratsy miharoharo amin'ny halatra sy lainga ary kolikoly, manary dia amin'ny lanonana ny hafa.

Raha mino an'i Jesoa hianao dia manantena mandrakariva : "Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana nefa matokia Izaho efa naharesy izao tontolo izao". Mampatanjaka sy mampahery ny fonao izany teny izany. Tsy miova Jesoa!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

29 août 2025

6 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro