Kristy fiainantsika

Manantenà ary miomàna handray ny fanomezana tsara indrindra


Manantenà ary miomàna handray ny fanomezana tsara indrindra
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Manantenà ary miomàna handray ny fanomezana tsara indrindra

"Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ..."

Niakatra tany an-danitra Jesoa, tavela teo ny mpianatra, lasa Ilay Mpitarika nianteherana, tahaka ny zaza kamboty izy ireo, nifarana teo ve ny fiarahana mahafinaritra tamin'i Jesoa? Tsia! Manomboka eto, vao mainka hahaliana sy hampientanentana satria hisondrotra kilasy ny mpianatra, hiakatra amin'ny dingana ambony kokoa. Handray ny Fanahy Masina tsy hita maso nefa mitoetra ao am-po, tsy tahaka an'i Jesoa fahiny hita maso sy azo tsapain-tanana. Mandeha amin'ny finoana no dikan'izany.

Vavaka:

Tsy hitan'ny masonay ianao Fanahy Masina kanefa miasa mahery ato anatinay, Hatanjao ny finoanay. Amen


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

15 mai 2026

145 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro