Manantenà ny marainan' Andriamanitra

Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra
Manantenà ny marainan' Andriamanitra
""Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao""
Mbola ho avy ny maraina, hoy ny tononkira. Ohatry ny tsy mety tonga nefa ny maraina. Ny marainan' Andriamanitra isan'andro dia tsy tapaka mihitsy fa misy ny maraina nandrasana tsy mety tonga, ny olona tsy miandry ny maraina dia manakatom-baravarana, misitrika ao anatin'ny haizina na dia efa mazava aza ny ety ivelany. Mety efa tonga ny maraina anao fa ianao no manakipy maso, tsy mety miala eo am-pandriana, kamo ... Mifohaza na dia toa mbola mangiran-dratsy aza ny fiainanao, miarena, misasà, mibebaha, ataovy ny dingana azonao hatao fa hihamazava ny lalanao.
Mombamomba
2 décembre 2025
7 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor