Manao ahoana ny finoanao eo am-piandrasana ny Tompo?

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Manao ahoana ny finoanao eo am-piandrasana ny Tompo?
""Ary tsy nanaiky izy aloha; ...""
Rehefa mivavaka isika, amin'ny ankapobeany dia marina foana io teny io, tsy manaiky aloha ny Tompo. Indraindray, tsy mbola mangataka akory isika dia efa vonona ny valim-bavaka, indraindray, vao vita ny Amen dia io no valiny fa mandrakariva dia miandry aloha. Hoy Jesoa eo amin'ny and. 1 "Tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka". Aza reraka ny mivavaka raha toa mampiandry anao ny Tompo. Mandiniha tena eo am-piandrasana, sao maloto ny fonao, inona marina no anton'ny manosika anao hangataka, manao ahoana ny finoanao? Fa hoy Izy : "Kanefa raha avy ny Zanak'olona moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy?" (and.8)
Mombamomba
16 septembre 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor