Manao akanjo madio mandeha amin'ny lalana feno fotaka isika

Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo
Manao akanjo madio mandeha amin'ny lalana feno fotaka isika
""... ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra""
"Tsy mbola any an-danitra isika, tsy lasa anjely fa mpanota nibebaka lasa olom-baovao. Raha mandeha eo amin'ny fotaka isika, na mitandrina mafy aza, azon'ny fotaka ihany ny kiraro sy akanjo". Dia hoy Jaona : "Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina" - 1 Jaona 2:1. Inona no atao? Miaina amin'ny fahadiovana mandrakariva. Mibebaha foana. Tsy mahay mitoetra amin'ny fahotana izay naterak' Andriamanitra.
🤲Vavaka :
Aza avela hitoetra amin'ny fahalotoana izahay zanakao, ataovy tia fibebahana mandrakariva
Mombamomba
10 mars 2026
5 vues
10 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor