Kristy fiainantsika

Manao fitsarana marina Andriamanitra, nefa mamindra fo ihany koa


Manao fitsarana marina Andriamanitra, nefa mamindra fo ihany koa
Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo

Manao fitsarana marina Andriamanitra, nefa mamindra fo ihany koa

""Fa Izaho dia hamaly ny asany sy ny heviny, ...""

Hoy ny Mpitoriteny 8:11 "Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy". "Fa fahafetesana no tambin'ny ota". Fitaky ny devoly ny teny ifaharan'ny maro ankehitriny hoe : "Tsy maty manota". Amin'ny fitsaran'olombelona eto an-tany dia mpanao ratsy maro no ambara fa olo-marina. Dia ahoana ny fitsaran' Andriamanitra? Aza mamita-tena, aleo miaiky heloka sy mibebaka ary miala amin'ny hevi-dratsy sy ny asa ratsy. Nitondra ny tambin'ny otantsika amin'ny hazo fijaliana Jesoa. "Izay mino Azy dia tsy helohina" - Jaona 3:18


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

29 octobre 2025

6 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro