Kristy fiainantsika

Manao sorona ny tenany ny iraka


Manao sorona ny tenany ny iraka
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Manao sorona ny tenany ny iraka

"Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako"

Sahy manao izany vavaka izany ve ianao? Naleon'i Mosesy ho very mandrakizay toy izay ireto Zanak'Israely ireto no ho ringanina any an'efitra. Nanao ilay sariomby volamena niakohofany izy ireo. Tezitra Andriamanitra ary nikasa handringana azy fa Mosesy ilay nirahin'Andriamanitra hanafaka azy ireo tany Egypta no nanao sorona ny tenany. Hitan' Andriamanitra ny fitiavana tao anatiny dia nihaino Izy ary namela heloka.

Raha tia tokoa ny ankohonanao sy ireo olona nataon' Andriamanitra manodidina anao ianao dia irahin' Andriamanitra hanao vavaka fifonana toy izao mba hamonjena azy ireo.

Vavaka:

Ampianaro izahay hanao vavaka fifonana tahaka izay nataon'i Jesoa teo amin'ny hazo fijaliana. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 1 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

1 juillet 2026

139 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro