Kristy fiainantsika

Manaram-po amin'ny tsara izay manana ny Fanahy Masina


Manaram-po amin'ny tsara izay manana ny Fanahy Masina
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Manaram-po amin'ny tsara izay manana ny Fanahy Masina

"ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy ..."

Inona no mameno ny fonao? Tsy mety amin'ny Fanahy Masina ny tapatapany, ny zato isan-jato ny toerana ao am-ponao dia tsy maintsy anjakany. Tsy mahay miara-mitoetra amin'ny zavatra mifanohitra Aminy Izy. Fanaranam-po amin'ny amin'ny tsara no vokatr'izany. Miboiboika teny tsara sy fideràna an' Andriamanitra ary fampaherezana ny hafa ny vavan'ny olona feno ny Fanahy Masina. Hoy Jesoa : "... fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany" - Lioka 6:45b

Vavaka:

Hameno ny fonay anie Ianao Fanahy Masina dia hiboiboika eo amin'ny fiainanay ny teny tsara, ny asa tsara sy ny fitondran-tena manome voninahitra. Amen!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

12 mai 2026

47 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro