Kristy fiainantsika

Manatrika, mahita sy mahalala ary mifehy ny zavatra rehetra ny Tompo


Manatrika, mahita sy mahalala ary mifehy ny zavatra rehetra ny Tompo
Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana

Manatrika, mahita sy mahalala ary mifehy ny zavatra rehetra ny Tompo

""Ary hoy Marta tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko … Ary Maria, rehefa tonga teo amin'nitoeran'i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko""

Tsy tonga teo tokoa Jesoa fony mbola velona Lazarosy kanefa amin'ny maha Andriamanitra Azy, manatrika amin'ny fotoana rehetra, mahita sy mahalala ary mifehy ny zavatra rehetra dia teo foana Izy na fony salama na rehefa narary ary indrindra rehefa maty ka nalevina Lazarosy.

Indraindray mivavaka ianao nefa miharatsy ny toe-javatra. Mba hanehoany ny voninahiny no anton'izany.

Lehibe kokoa ny voninahitr' Andriamanitra rehefa natsangana ilay nalevina hefarana. Hoy Jesoa aminao : "Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?" - Jaona 11:40


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

17 juin 2025

4 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro