Mandeha amin'ny finoana fa tsy miankina amin'ny fahitana sy famantarana

Mandeha amin'ny finoana fa tsy miankina amin'ny fahitana sy famantarana
""... satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo""
Satrin'ny mpianatra hahita maso an'i Jesoa mandrakariva ary tsy hisaraka Aminy. Hitan'izy ireo isan'andro Jesoa velona nitoriteny, nampahery, nanasitrana marary maro, nampitony ny rivotra sy ny ranomasina, namoky olona an'anarivony niainga tamin'ny mofo vitsy foana, nanangana ny maty. "mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy " hoy Izy. Hahita an'i Jesoa velona sy mahery amin'ny finoana.
Tsy miova Jesoa, zaza ara-panahy ihany izay miankina amin'ny fahatsapana sy fahitana famantarana. Afaka miara-mandeha amin'i Jesoa velona ianao na tsy hitan'ny masonao aza kanefa inoanao. Dia hovelona koa ianao ka hahery.
26 août 2025
7 vues
5 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor