Mandeha mendrika ny fiantsoana

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Mandeha mendrika ny fiantsoana
""... dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo""
Tsy mendrika ny fiantsoana antsika ny ady sy korontana, ny fisarahana sy fifandrafiana. "Iray ny tena, iray ny Fanahy, iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra (4:4,5)". Isika samy mpanaradia ny Tompo ve dia hifandrafy? Ara-dalana ny fahasamihafana satria tahaka ny ratsam-batana ny tsirairay, samy manana ny anjara asa sy anjara toerany. Fa noforonina mba hifameno sy hifanampy ary hiara hanatratra tanjona izay isika rehetra na dia maro aza. Tsy olom-boaatson'ny Tompo izay miaina ao anatin'ny fifampiandaniana sy ny samy maka ho azy.
Mombamomba
15 juillet 2025
7 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor