Mandinin-tena tsara isika sao misy zavatra hafa misosoka maka ny toeran' Andriamanitra ao am-pontsika

Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra
Mandinin-tena tsara isika sao misy zavatra hafa misosoka maka ny toeran' Andriamanitra ao am-pontsika
""Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin'ny taniny izy; Ary amin'izay indrindra no hahafoanan'ny fikasany""
Aza avela hisongona ny toeran' Andriamanitra ao am-ponao ny olombelona. Mety ho lehibe eo imasonao sy ao am-ponao io, mpitondra fanjakana, mpanakarena, mpitondra fivavahana, vady aman-janaka? Ilaina ny olombelona, tsy tsara raha irery isika, fanomezana avy amin' Andriamanitra izy ireny saingy ny fitokisantsika dia tsy maintsy ao Aminy voalohany indrindra.
Tsy maintsy miambina sy mandinin-tena tsara isika sao misy zavatra hafa misosoka maka ny toeran' Andriamanitra ao am-pontsika na olombelona izany na olona maty na vola sy fananana. Tompo iray ihany no mahazo manapaka ny fiainantsika dia Jesoa
Mombamomba
18 décembre 2025
15 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor