Mandrosoa any amin'ny lalina, mamelona anao ny onin'ny ranovelon'ny Fanahy Masina

Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina
Mandrosoa any amin'ny lalina, mamelona anao ny onin'ny ranovelon'ny Fanahy Masina
"Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny"
Mino an'i Jesoa ve ianao? Ho anao io Fanahy Masina miboiboika tahaka ny onin'ny ranovelona io. Tsy ho an'ny olom-boahosotra toy ny Mpisorona sy ny Mpaminany ary ny Mpanjaka fahiny ihany fa ho an'izay rehetra mino an'i Jesoa. Tsy ho an'ny apostoly sy ny fiangonana voalohany ihany fa ho anao indrindra ihany koa.
Meteza ho tempolin'ny Fanahy Masina
Vavaka:
Jesoa ô! Avereno amin'izay tena mitady sy mangetaheta ny Fanahy Masina ankehitriny ny Pentekosta. Amen
Mombamomba
22 mai 2026
115 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman