Maneho ny filazantsaran'i Jesoa amin'ny asa sy amin'ny fifandraisana aman'olona

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Maneho ny filazantsaran'i Jesoa amin'ny asa sy amin'ny fifandraisana aman'olona
""Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny""
Isan'andro isika dia mandeha mitety toerana samihafa eny tontolo eny. Manao inona? Miasa? Mianatra? Mitady vola? Manao adidy? Marina tokoa izany saingy tsy izany no atom-pahavelomana voalohany raha nandray ny famonjena ianao. Velona mba hihinana ve? Tsia. Tahaka an'i Paoly isika niteny hoe : "Fa Kristy no anton'ny fahavelomako" - Filipiana 1:21.
Mitory filazantsara amin'izay rehetra ataonao tahaka ny mpianatr'i Jesoa ianao. Tsy voatery ho amin'ny fitenenana fa amin'ny asa, amin'ny fitondran-tena amin'ny fifandraisana dia hita eo aminao Jesoa.
Mombamomba
23 septembre 2025
12 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor