Manetry tena nefa be finoana

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Manetry tena nefa be finoana
""Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko""
Narary mafy efa ho faty ny mpanompon'ity kapiteny iray ity. Nanaiky hanasitrana azy Jesoa ary nisahirana ho any an-tranony. "Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho". Miaramila manam-boninahitra izy kanefa jentilisa hafa firenena, izany no nilazany ny tenany hoe tsy mendrika. Manampahefana manetri-tena ary manam-pinoana. "Mitenena ihany dia hositrana ny ankizilahiko" . "Tsy mbola nahita finoana lehibe noho izany Aho" hoy Jesoa
Mombamomba
25 septembre 2025
4 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor