Kristy fiainantsika

Mankato an' Andriamanitra izay voatendriny hitondra


Mankato an' Andriamanitra izay voatendriny hitondra
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Mankato an' Andriamanitra izay voatendriny hitondra

"Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana"

Izay voatendrin' Andriamanitra tsy mahazo manohitra an' Andriamanitra nanendry azy. Tsy ny sitrpony no atao fa ny sitrapon' Andriamanitra sady ankasitrahana no marina. Voatendrin' Andriamanitra ve izay mpitondra tsy mampihatra ny sitrapony?

Raha sitrapon' Andriamanitra no atao itondrana ny firenena araka ny vavaka nampianarin'ny Tompo dia ho meloka izay manohitra izany. Aza odian-tsy hita Andriamanitra nampindrana fahefana mba tsy hahazoana fanamelohana.

Vavaka:

Jesoa ô, ataovy mankato Anao ny mpitondra mba hankatoavan'ny vahoaka azy. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 19 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

19 juin 2026

117 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro