Manolo-tanana anao Andriamanitra, na any an-davaka lalina aza no misy anao

Manolo-tanana anao Andriamanitra, na any an-davaka lalina aza no misy anao
""Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao?""
Amin'izao fahatratraranao ny taona vaovao izao, aiza moa ianao? Manolo-tanana anao Andriamanitra, na dia any an-davaka faran'ny lalina aza no misy anao, te hamitram-pihavanana aminao Izy. Hiery mandrakariva tahaka an'i Adama sy Eva ve ka handeha irery amin'izao tombon'andro nomeny anao anao izao?
Efa hitany anie ny misy anao e! Anjaranao no miaiky fa nanota ianao, tsy avy hiantso ny marina Izy fa ny mpanota hibebaka. Niala tany an-danitra Izy nidina tety ambonin'ny tany, namantana tany an-tranon'omby ary maty teo amin'ny hazo fijaliana miantsoantso tahaka ilay reny very zanaka hoe : Aiza moa ianao? Mampiakatra anao avy amin'izay toerana nahalavo anao Izy. Amin'izao taona vaovao izao, araraoty izany vaovao mahafaly izany, valio ny antson'ny Tompo.
5 janvier 2026
18 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor