Manoloana ny toe-java-tsarotra atrehinao, lazao ny fahalebiazan' Andriamanitra

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Manoloana ny toe-java-tsarotra atrehinao, lazao ny fahalebiazan' Andriamanitra
""..., dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ...""
Tsy ny miaramila manao fanamiana voaomana hiady no naroson'i Josafata mialoha rehefa hiady amin'ny fahavalo izy fa ny mpihira manao fihaingoana masina miredona hoe : "Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony". Vokany, ny fahavalo indray no mifandringana.
Manoloana ny toe-java-tsarotra atrehinao, aza midera ny olana, aza itarina ny olana, aza midera ny fahavalo ka manao hoe : ny ratsy tsy kely làlana na hoe : Mahery ny asan'ny devoly. Lazao ny fahalebiazan' Andriamanitra sy ny fahatsarany ary minoa an'izany dia hotanteraka aminao ny fandresena.
Mombamomba
17 septembre 2025
4 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor