Manovo fitiavana ao amin'Andriamanitra mba hitiavana ny hafa

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Manovo fitiavana ao amin'Andriamanitra mba hitiavana ny hafa
""Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa""
"Tsy manam-pahataperana ny fitiavana" hoy Paoly 1 Korintiana 13:8a. Ny fitiavana an' Andriamanitra no ambara amin'izany. Ny hira FFPM 530 dia manao hoe : "Fitiavana rano velona, loharano lalina", tsy mety ritra, afaka manovo sy misotro foana ianao.
Izay nandray izany fitiavan' Andriamanitra izany dia atao hoe ampy fitia na feno fitia; mitobaka sy mihoatra ary mahazo anjara amin'izany koa ny manodidina. Izany no mahatanteraka ity fanirian'i Paoly ity dia ny hampitombo sy handrosoan'ny fifankativana sy ny fitiavana ny olona rehetra.
Mombamomba
6 octobre 2025
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor