Masahia miavaka ary manapaha hevitra hanompo ny Tompo Andriamanitra irery ihany

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Masahia miavaka ary manapaha hevitra hanompo ny Tompo Andriamanitra irery ihany
""Ary nakeo amin'ny olona rehetra Elia ka nanao hoe : Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory""
Maro ny kristiana no tahaka ireto olona ireto, menatra, tsy sahy miavaka fa mamita-tena, manompo tompo roa. "Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo?" hoy Elia mpaminany. Satrin'ny olona hitoetra amin'izany toe-panahy mampidi-doza izany. Hoy ny antson'i Josoa : "Fidionareo anio ary izay hotompoinareo ... fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an'i Jehovah izahay" - Josoa 24:15. Ny tsy fahasahiana manapa-kevitra ny hanaraka ny Tompo irery dia midika fa manompo andriamanin-kafa ny olona iray
Mombamomba
12 octobre 2025
7 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor