Kristy fiainantsika

Maso mihiratra, afaka midera an' Andriamanitra manoloana ny toe-javatra rehetra


Maso mihiratra, afaka midera an' Andriamanitra manoloana ny toe-javatra rehetra
Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana

Maso mihiratra, afaka midera an' Andriamanitra manoloana ny toe-javatra rehetra

""Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany""

Rehefa mihavana amin' Andriamanitra isika dia mahiratra ny maso ary gaga sy talanjona mahita ny hamaroan'ny asa nataon' Andriamanitra tamin'ny fahendrena. Tsy isaky ny alahady na any am-piangonana ihany ianao no midera an' Andriamanitra amin'ny alalan'ny Salamo fa amin'ny fotoana rehetra sy manoloana ny toe-javatra rehetra.


Voafetra ny fiderana ataontsika raha mikipy ny maso. Raha nanonona ireo zavaboahary teny amin'ny habakabaka sy tety an-tany ary tany an-dranomasina ity mpanao salamo ity dia nihiratra ny masony.

Mampalahelo ireo olona maro jamba tsy mahita afa tsy zava-dratsy. Mihavàna amin' Andriamanitra, mibebaha dia ho feno fideràna ny fiainanao


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

16 juin 2025

10 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro