Kristy fiainantsika

Mba misaina!


Mba misaina!
Thème du mois : Mpandresy ny Tompo

Mba misaina!

"... Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy"

Rarina ve izany? Ilay tia sy nifidy anao no amavoinao sy ataonao tsinontsinona? Raha olombelona aza no nanao ny ainy sy ny fananany tsy ho zavatra hamonjena anao, mamaly fitia azy ianao, dia Andriamanitra nanolotra ny Zanany ho anao ve no omenao lamosina tsy raharahianao?

Mba misaina! Mba eritrereto ny fitiavan' Andriamanitra anao dia mibebaha, tiavo amin'ny fonao rehetra Izy.

🤲 Vavaka:

Ampahafantaro anay kristiana malagasy ny fomba amam-panaonay ary ny fahazaran-dratsy anamavoanay sy anaovanay Anao ho tsinontsinona dia tariho ho amin'ny fibebahana izahay. Amen!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

18 avril 2026

23 vues

1 min


Mpanoratra
R
RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Tahinasoa

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro