Kristy fiainantsika

Mbola ho avy ny ampamoaka


Mbola ho avy ny ampamoaka
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Mbola ho avy ny ampamoaka

"Ary ny mpanjakan'ny tany sy ny lehibe ... dia niery tao amin'ny lavaka ... ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ..."

Ho avy indray Jessoa hitsara ny velona sy ny maty. Na iza na iza nampindraminy fahefana teto amin'ity tany ity, na tamin'inona na tamin'inona, na oviana na taiza, fahefana kely na lehibe dia samy adinina tamin'izay nampiandraiketina azy. Nampiasaina araka ny sitrapon' Ilay Tompon'ny fahefana ve izany? Tsy hahatanty izany ireo mpanampatra fahefana sy mpanjakazaka ka hiantso ny vatolampy sy ny tendrombohitra hianjera aminy. Tsy aleo ampiasaina araka ny sitrapony ny fahefana nampindraminy?

Vavaka:

Ampahafantaro anay fa misy Ianao Ilay Tompon'ny Tompo sy Mpanjaka ny Mpanjaka

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 29 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

29 juin 2026

108 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro