Mety ho tanteraka amin'ny firenentsika ny fahasambarana tian' Andriamanitra omena

Thème du mois : Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo
Mety ho tanteraka amin'ny firenentsika ny fahasambarana tian' Andriamanitra omena
""Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny""
Ny vaovao mahafaly dia izao, marina foana ary tsy miova ity Salamo 144:15 ity. Ny tsy fahitantsika ny fahatanterahan'io teny io eto amin'ny firenena tsy midika fa tsy marina io teny io. Tsy milaza koa izany fa olom-boaozona sy ratsy vintana isika, mety ho tanteraka eto amintsika ihany io fahasambarana io. Misy firenena maro aza tsy manana harena an-kibon'ny tany, tsy mety tsara amin'ny fambolena ny toe-trandro, tsy manana tontolo mahasarika azo anaovana fizahan-tany kanefa miaina tsara ary misakafo mihoatra noho ny sahaza ho azy ny ankapobean'ny mponina
🤲 Vavaka : Mangataha mba hatao eto amin'ny firenena tokoa ny sitrapon' Andriamanitra
Mombamomba
18 janvier 2026
8 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor