Kristy fiainantsika

Mety malahelo ny Fanahy Masina ao anatinao


Mety malahelo ny Fanahy Masina ao anatinao
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Mety malahelo ny Fanahy Masina ao anatinao

"Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana"

Rehefa miteny aminao ny Fanahy Masina ka tsy mihaino sy tsy mankato Azy ianao dia malahelo ao anatinao Izy. Aza avela hitoetra ela ao anatin'ny alahelo Izy, aza miavonavona Aminy, borahy Aminy ny zavatra rehetra dia mibebaha. Raha tsy mibebaka ianao dia tsy tamàna Izy ary miala ao am-ponao. Dia miala koa ilay tombo-kase famantarana ny maha zanak' Andriamanitra anao. Dia hoy Jesoa amin'ny fitsaràna : Tsy fantatro ianao!

Vavaka:

Ataovy mahay mihaino ny Fanahy Masina maneho ny alahelony aminay izahay, dia tariho hibebaka mandrakariva izahay. Amen


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

10 mai 2026

60 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro