Kristy fiainantsika

Mialanenina mandrakariva amintsika Andriamanitra


Mialanenina mandrakariva amintsika Andriamanitra
Thème du mois : Olomboaantso ny mpino

Mialanenina mandrakariva amintsika Andriamanitra

""Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy""

Mahery ny fitiavan' Andriamanitra; tsy mety tofoka Izy na tsy mety mihaino Azy aza ny olona, mialanenina mandrakariva Izy. Ny olom-boaantson' Andriamanitra toy ny mpaminany koa dia ampianariny hanana izany fahari-pony izany, "mitenena foana na hihaino izy na tsy hihaino"

Aza araraotina ny famindrampon' Andriamanitra, mampieritreritra ilay teny hoe "mba ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy". Tsy misy afaka manamarin-tena any aoriana any ka hiteny hoe: "Tsy mbola nahare aho"


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

30 juillet 2025

8 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro