Miandrasa ny Tompo tahaka ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina

Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra
Miandrasa ny Tompo tahaka ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina
""Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina""
Tsy mitovy ny fiandrin'ny mmpianbina ny maraina sy ny fankafizan'izay eo am-pandriana ny torimaso. Tsy andrin'ilay voalohany ny fahatongavan'ny maraina, ilay faharoa koa tsy te hiala eo am-pandriana sady tsy te hamoha varavarana. Maro no tahaka ireto faharoa ireto na dia ny kristiana aza, miesona ao anatin'ny torimasom-pahotana, mihosina ao anatin'ny fahalotoan'izao tontolo izao. Miandrasa ny Tompo tahaka ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina. Aoka ho hitan'ny Tompo manao ny andraikitrao eo am-piandrasana Azy ianao.
Mombamomba
8 décembre 2025
17 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor