Miandry am-paharetana an' Andriamanitra

Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo
Miandry am-paharetana an' Andriamanitra
""... Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.""
Te handeha hirimorimo haingana ny taranaka ankehitriny nefa tratra aoriana ihany ary vao maika mihemotra aza. Maro ny dokam-banitra mampanantena fahaizana sy diploma vetivety, fahazoam-bola be vetivety, vahaolana vetivety, akoho manatody lava sy fakana nofo vetivety, famokarana sakafo vetivety ... Ohatran'ny nahitana fahombiazana tokoa kanefa maro amin'ireny no dokam-barotra fotsiny ihany, poak'aty.
Miandrasa an' Andriamanitrao mandrakariva, asian'ny andro sy alina, lohataona, fahavaratra, ririnina, misy antony avokoa ny faharetan'ny vanim-potoana samihafa. Misy fahendren' Andriamanitra ao anatin'izany, avelao hiasa ao anatin'ny fotoana fiandrasanao Izy.
Mombamomba
2 novembre 2025
1 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor