Miarena foana, aza mihaino ny fiampangan'ny devoly

Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo
Miarena foana, aza mihaino ny fiampangan'ny devoly
""Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.""
Ny tetik'adin'ny devoly dia ny tsy hibebahantsika intsony. Tsy misy famelan-keloka ho an'izay tsy mety mibebaka. Jodasy nahalala tsara ny fahadisoany, fa tsy nifona. Petera koa dia diso tanteraka satria nandà in-telo ho tsy nahalala an'i Jesoa saingy rehefa nandre ny feon' akoholahy voalohany izy dia vontsindrona tam-pony ary niaiky heloka sy nibebaka. Aza manaiky melohin'ny devoly. Mamela heloka izay mibebaka Jesoa. "Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy" - Romana 8:33. Miarena foana, aza mihaino ny fiampangan'ny devoly
Mombamomba
23 novembre 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor