Miaro tena manoloana ny fampatorian'ny devoly

Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo
Miaro tena manoloana ny fampatorian'ny devoly
""Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; ...""
Rehefa voafitaky ny fony ny olona dia tsy mahatsiaro tena. Tahaka ny mandeha amin'ny sambo na lakana vaky, rehefa kelikely dia hilentika ao anaty rano lalina. Variana amin'ny rendrarendra sy ny fy vetivety eto amin'ity tany ity. Maro no tsy mieritreritra ny mandrakizainy.
Avy tany an-danitra Jesoa no nidina tety hampifoha anao amin'ny torimasom-pnahinao. Mifohaza dia mibebaha, fohazy koa izay mbola renoka.
🤲 Vavaka:
Jesoa ô, fohazo izahay mba tsy ho renoky ny torimasom-pahotana ety
Mombamomba
17 mars 2026
9 vues
10 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor