Miasa isan'andro ianao, manompoa an' Andriamanitra fa tsy baikon'ny vola

Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra
Miasa isan'andro ianao, manompoa an' Andriamanitra fa tsy baikon'ny vola
""... dia hanampy ho anareo izany rehetra izany""
"Tsy mahay manompo an' Andriamanitra sy Mamona hianareo" hoy Jesoa. Tsy fanompoana vola ny asa ataontsika isan'andro fa fanompoana an' Andriamanitra, fanaovana ny sitrapony amin'izay rehetra atao. Omem-boninahitra amin'izay rehetra ataontsika Izy. Mitondra fanasitranana amin'ny sehatr'asa rehetra eto amin'ny firenena izany, manomboka any amin'ny fokotany sy "commune", ny fanabeazana, ny toe-karena, ny fitsaboana, ny filaminam-bahoaka, ny fitsarana ary ny fitondram-panjakana manontolo.
🤲Vavaka :
Andeha hifona ho an'ny kristiana rehetra zaiy baikon'ny vola amin'ny asa ataony
Mombamomba
16 février 2026
10 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor