Miavaka ny olona manana ny Fanahin' Andriamanitra

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Miavaka ny olona manana ny Fanahin' Andriamanitra
""Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, mbamin'ny rariny sy ny faherezana, mba hanambara amin'i Jakoba ny helony sy amin'Israely ny fahotany""
Miavaka ny olona manana ny Fanahin' Andriamanitra izay manankery hampiharihariana ny heloka sy fahotana mampisaraka amin' Andriamanitra. Aiza izay Andriamanitra? hoy ny olona, jamba sa marenina sa maty? Tsia ! Andriamanitra velona Izy, tsy fohy ny tanany fa mahavonjy ary tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare.
Ny mpaminany tamin'izany fotoana izany tsy sahy mampiharihary ny fahadisoan'ny olona noho ny filazan-tsitraka sy fitiavam-bola. Meteza, hiavaka tahaka an'i Mika. Sahia mitarika ny olona amin'ny fibebahana.
Mombamomba
25 mai 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor