Kristy fiainantsika

Miditra amin'ny sofina havanana dia mivoaka amin'ny sofina havia ve?


Miditra amin'ny sofina havanana dia mivoaka amin'ny sofina havia ve?
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Miditra amin'ny sofina havanana dia mivoaka amin'ny sofina havia ve?

"... Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita"

Mihaino tenin' Andriamanitra tokoa isika. Firy ny isan'ny fiangonana sy kazaram-piangonana eto amin'ny firenentsika. Maro no mirotsaka hanao asan'ny mpitondra fivavahana, miomana ho mpiandry, katekista, mpitoriteny, misionera, ... Tsy efa tokony hiova ve ny malagasy, farafahakeliny ny kristiana? Ny karazana ojam-peo lazaina fa ara-pilazantsara mandeha isan'andro. Tsy ny tenin' Andriamanitra akory no lany andro, sanatria izany. "Henika aretina avokoa ny loha rehetra ary marary ny fo rehetra". Antsoina ho amin'ny fibebahana marina isika rehetra.

Vavaka:

Mba hotorontoroin' Andriamanitra anie ny fovaton'ny kristiana, handairan'ny Tenin' Andriamanitra. Amen


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

2 mai 2026

39 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro