Mifampahery sy mifananatra.

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Mifampahery sy mifananatra.
""Mahereza ary, ka aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ny tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony""
Raha latsaka an-katerena ny firenena, hitazam-potsiny ve ianao? Joaba sy ny miaramilany tsy niraviravy tanana na dia efa teo anoloany sy tao aoriany aza ny taranak'i Amona sy ny Syriana hiady amin'ny taranak' Israely. Hoy Joaba tamin'i Abisay : "Raha tsy tohako ny Syriana dia vonjeo aho, fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i Amona dia hovonjeko hianao". Inona moa no ampiasain'ny devoly hanapotehana ny firenena? Ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola izay fototry ny ratsy rehetra! Andeha ary isika rehetra hifampahery sy hifananatra ary samy hijoro ho vavolombelon'ny Tompo amin'izay manandrify antsika avy. Ny sitrapon' Andriamanitra dia ny fandresentsika!
Mombamomba
6 août 2025
8 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor