Kristy fiainantsika

Mihainoa ny Fanahy Masina maniraka anao


Mihainoa ny Fanahy Masina maniraka anao
Thème du mois : Mahatoky amin'ny asany ny mpino

Mihainoa ny Fanahy Masina maniraka anao

"Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io"

Dia nanatona tokoa Filipo ka nandre ny tandapa Etiopiana mpitahiry ny haren'ny mpanjaka namaky Soratra Masina tao amin'ny bokin'i Isaia. Dia hoy Filipo : "Moa fantatrao va izay vakianao?" Niafara tamin'ny fanoloran-tena sy fanaovana batisa ity tandapa iy izany resaka izany.

Manàna toe-po vonona hankatò dia hitari-dàlana anao toy izao ny Fanahy Masina. Misy ny iraka mazava tsy azo ialàna dia ny eo amin'ny ankohonana sy ny manodidina fa misy kosa ny iraka tsy ampoizinao sady tsy fantatrao efa voaoman'ny Tompo. Mijinja sisa no anjaranao

Vavaka: Fanahy Masina ô Omeo anay ny toe-po vonona hankatò Anao. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 20 juillet 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

20 juillet 2026

75 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro