Mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa dia hanambaràny izay fikasany tsara ho anao ianao

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa dia hanambaràny izay fikasany tsara ho anao ianao
""Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany""
Abrahama dia natao hoe Sakaizan' Andriamanitra. Namborahan' Andriamanitra tsiambaratelo izy ary nanehoany ny fikasany. Hoy ny Genesisy 18:17 : "Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin'i Abrahama va izay hataoko?".
Eto amin'ity Genesisy 15 ity dia nentin' Andriamanitra hijery ny lanitra izy ka nasainy nanisa ny kintana dia hoy Izy : "Ho tahaka izany ny taranakao". Dia nino izy, Andriamanitra sakaizany ve dia handainga? Neken' Andriamanitra ho olo-marina izy noho ny finoany. Afaka hanambara inona amin'izay tsy sakaizany moa Andriamanitra? Mihavana Aminy amin'ny alalan'i Jesoa dia hanambaràny izay fikasany tsara ho anao ianao.
Mombamomba
7 septembre 2025
3 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor