Kristy fiainantsika

Mihevitra anao isan'andro ny Tompo, matokia Azy


Mihevitra anao isan'andro ny Tompo, matokia Azy
Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra

Mihevitra anao isan'andro ny Tompo, matokia Azy

""... Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, ... Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.""

Tsy mamela anao ao anatin'ny haterena Jesoa. Tsy olona kamo miasa akory ireto vahoaka noana ireto. Efa hatramin'ny maraina izy ireo no niala avy tany amin'ny tany maro nandeha an-tanety nitady an'i Jesoa ary nihaino ny tenin' Andriamanitra. Raha ny lehilahy fotsiny no tsy omby dimy arivo, tokony firy izany ny vehivavy sy ankizy miaraka aminy?

Misy fandalovana an-tany foana ny fiainantsika indraindray, ny Zanak'Israely aza nandeha an-tany efitra nandritry ny 40 taona. Tsy afaka namboly izy ary nandeha mandrakariva fa namatsy azy ny mana isan'andro Andriamanitra. Indraindray efa hariva ny andro tsy afaka mitady sakafo intsony, nahita vahaolana hamahana ireto vahoaka ireto Jesoa. Tsy voafetran'ny fotoana sy toerana Izy. "Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy" hoy ny Salamo 46:1

🤲Vavaka :


Mivavaha ho an'izay mandalo fisedrĂ na hananany fahatokiana ny Tompo

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

21 février 2026

5 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro