Mijoro ho fahazavana amin ny toerana rehetra sy fotoana rehetra

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Mijoro ho fahazavana amin ny toerana rehetra sy fotoana rehetra
""Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana""
Tsy nafahana tamin'ny fanandevozan'ny Egyptiana fotsiny ny Zanak'Israely fa tsy nanao intsony koa ny fanaony. Ny fitahian' Andriamanitra no katsahin'ny olona fatratra fa ny hanao ny sitrapony tsy zava-dehibe aminy. Izany no ahitantsika olona mivavaka be ary manana toerana lehibe amin'ny fanompoana Azy nefa mangalatra, manao kolikoly sy manompo sampy. Rivotra niainan'ny fiaraha-monina tamin'izany fotoana izany ny fijangajangana, izany no nananaran'i Paoly ny kristiana hifady ny fijangajangana (1 Tesaloniana 4:3). Tsy mahazo maka volon-tany tahaka ny trandraka isika, tsy maintsy mijoro ho fahazavana amin'ny toerana rehetra sy fotoana rehetra.
Mombamomba
12 juillet 2025
8 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor