Minoa ny fitiavan' Andriamanitra anao, mihoatra lavitra noho ny fitiavanao ny zanakao

Minoa ny fitiavan' Andriamanitra anao, mihoatra lavitra noho ny fitiavanao ny zanakao
""Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany""
Ianareo na dia ratsy aza hoy Jesoa mahalala hanome zavatsoa ho an'ny zanakareo: iza amintsika tokoaraha angatahan'ny zanantsika mofo no hanome azy vato na angatahany hazandrano no hanome azy menarana? Indraindray anefa isika dia mieritreritra fa manome vato na menarana antsika Andriamanitra.
Manana hevitra izay iheverana anao manokana Izy. Hoy Davida: "... Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao ... mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; ... Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao Andriamanitra ô ..." - Salamo 139:13,14,17. Minoa fa tahaka ny fiheveran' Andriamanitra an'i Davida hatrany am-bohoka izany ny fieritreretany anao koa.
🤲 Vavaka :
Misaora ny Tompo fa mihevitra anao sy ny ankohonanao ary ny olona rehetra Izy
6 janvier 2026
9 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor