Kristy fiainantsika

Miomàna dieny izao mba tsy hitomanianao foana mandrakizay


Miomàna dieny izao mba tsy hitomanianao foana mandrakizay
Thème du mois : Mpandresy ny Tompo

Miomàna dieny izao mba tsy hitomanianao foana mandrakizay

""Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza. Dia hilaza amin'ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin'ny havoana hoe: Saròny izahay (Hosea.10:8)""

Misy ny henatra sy latsa mandrakizay. Latsa amin'inona? Afaka nibebaka, afaka nifona tamin-dranomaso tety ambonin'ny tany fa tsy nanao. Nandre tenin' Andriamanitra fa nanamafy fo. Ho avy ny andro : Ho tonga ny fanenenana mandrakizay, hisy ny fitomaniana sy fikotroha-nify any amin'ny fahaverezana mandrakizay.

Tsy misy afa-miala amin'izany, tsy aleo mibebaka dieny izao?

🤲 Vavaka:




Jesoa ô, ampianaro izahay hanaraotra ny andro azo hibebahana fa ho avy ny fandatsana sy fanenenana mandrakizay

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

4 avril 2026

21 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro