Miravoravo ao amin' Andriamanitra

Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra
Miravoravo ao amin' Andriamanitra
""Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao""
Ny firavoaravoana amin' Andriamanitra dia mariky ny fahatokiana Azy. Rehefa mahita ny fahatsaran'ny voninkazo isika dia mitanisa ny endriny, ny lokony, ny fofony ... Jereo ao amin'ny soratra masina ny hatsaran' Andriamanitra, angataho amin'ny Fanahy Masina ny fampahiratana sy masom-panahinao ahalalanao ny herin' Andriamanitra, ny fahalebiazany sy ny fahendreny. Banjino mandrakariva Izy amin'ny alalan'ny teniny sy ny vavaka dia ho faly sy ravoravo mandrakariva Aminy ianao. Afaka ho azy ny fanahiana sy ny fimonomononana. Izany ilay atao hoe mikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra, dia omeny anao izay irin'ny fonao.
Mombamomba
1 décembre 2025
11 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor