Misafidy namana

Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo
Misafidy namana
""Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy""
Iza no namanao? Iza no amborahanao ny fifalianao, ny fahorianao ary ny fahasahirananao? Izao no fomba fiteny : "Lazao amiko izay namanao dia ampahafantariko anao ny toetranao".
Ny olona mihemotra ho amin'ny fahaverezana ka niverina nanompo sampy, niverina nandray zava-maha domelina sy mpijangajanga ve no namanao? Tsy hanao ny fanaony koa ianao? Raha te haharitra hatramin'ny farany ianao dia izay azo halain-tahaka sy afaka hananatra anao atao namana.
Mombamomba
14 novembre 2025
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor