Kristy fiainantsika

Misotro kely foana ve vao ao tsara e?


Misotro kely foana ve vao ao tsara e?
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Misotro kely foana ve vao ao tsara e?

"Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy"

Maro ny olona no tsy mety faly, tsy afaka miatrika zavatra sarotra ary tsy mahazo aina raha tsy misotro toaka kely isan'andro. Fanaranam-po amin'ny ratsy no vokatr'izany. Tsy ny olona tsy manana ny Tompo ihany no azon'izany fa ny kristiana indrindra. Tsy mampaninona hono, fahalalam-pomba, fahaiza miaina, kely fotsiny kanefa tsy manam-pijanonana. Ny mpitondra fivavahana sasany aza mampiana-dratsy ny ondriny, miara-misotro amin'ny kristiana. Fa inona no mahatonga izany? Rehefa tsy ny Fanahy Masina no mameno ny fo dia manome irika ny fanaon'izao tontolo izao sy ny fanomezan-toerana ny devoly ao anaty izany.

Vavaka:

Jesoa ô, Diovy sy anjakao tanteraka ny fonay dia fenoy ny Fanahy Masina ka tsy hanan-toerana ao ny fanaon'izao tontolo izao. Amen!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

11 mai 2026

49 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro