Misy asa maro tian' Andriamanitra hotanterahin'ny tananao eto amin'izao tontolo izao

Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana
Misy asa maro tian' Andriamanitra hotanterahin'ny tananao eto amin'izao tontolo izao
""Ary nony nijerijery azy tamin'ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin'ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany""
Raim-pianakaviana tokony hamelona ny ankohonany no maty tanana, tsy afa-miasa! Mampalahelo
Raim-pianakaviana sy renim-pianakaviana maro ankehitriny no miraviravy tanana tsy mahita atao. Rehefa hifamono sy hangalatra ary hanao ireo asa ratsy samihafa dia kinga sy matanjaka.
Miverina amin'ny antony nahariana azy hatramin'ny voalohany ny tanantsika rehefa manaiky Azy ho Tompo ianao. Misy asa maro tian' Andriamanitra hotanterahin'ny tananao eto amin'izao tontolo izao
Mombamomba
23 juin 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor