Misy dikany aminao ve ny hazofijaliana?

Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo
Misy dikany aminao ve ny hazofijaliana?
""Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena""
Matoa tsy miraharaha ny filazantsara toriana aminy ny olona dia "hadalan' Andriamanitra" hoy izy no nanolorany ny Zanany teo amin'ny hazofijaliana. Tsy ilaina ary tsy misy dikany aminy izay nataon' Andriamanitra! "Manaonao foana" hono. Hovery izany olona izany. Izay nino kosa dia nahazo hery ka tonga zanak' Andriamanitra, nanahaka Azy, niova ho olom-baovao, lasa ny zavatra taloha.
Iza amin'ireo ary ianao? hovery sa hovonjena?
🤲 Vavaka :
Mba hohazavain'ny Fanahy Masina mandrakariva anie isika hahalala ny fitiavany
Mombamomba
27 mars 2026
18 vues
10 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor