Misy olona maro mila famonjena manodidina anao

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Misy olona maro mila famonjena manodidina anao
""Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady ... ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima""
✨ Méditation
Misy olona maro mila famonjena manodidina anao tahaka ny Zanak'Israely fahiny nampahorian'ny fahavalony.
Maniraka anao ny Tompo tahaka ny niantsoany an'i Otniela. Ny Fanahin' Andriamanitra no nanome fahaiza-mitarika sy fahendrena azy manoloana ireo olona maro efa resy sy niraviravy tanana.
"Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery ... Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika" - 2 Timoty 1:7-8 MG1865
Aoka ho fenoina ny Fanahy ianao dia hahery ary hampahery ny manodidina anao manomboka eo amin'ny ankohonana.
Mombamomba
12 mai 2025
16 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor