Misy olona maro mila ny fampaherezana avy aminao

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Misy olona maro mila ny fampaherezana avy aminao
""Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy""
Indraindray ianao reraka, indraindray ianao mahery; ny irina dia ny ho salama sy matanjaka mandrakariva, mpahazo antsika koa nefa ny tsy fahasalamana sy harerahana. Soa ihany fa misy ny iray tam-po ao amin'ny Tompo. Ratsambatan'i Kristy isika rehetra, raha ditsoka ny maso, manafosafo ny tanana, raha may ny tanana, mitsoka ny vava. Mandeha ho azy amin'ny vatana izany ary tokony ho fiainana kristiana. "Mifampitondrà izay mavesatra" - Galatiana 6:2b, "Miaraha mitomany amin'izay mitomany" - Romana 12:15. Ahirato ny masonao fa misy olona maro miraviravy tanana sy malemy lohalika manodidina anao, anjaranao no manome izay tandrify azy ireny, dia hahery foana ianao.
Mombamomba
12 août 2025
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor